Fiaraha-miasa eo amin’ny TAFIKA MALAGASY sy ny Tranom-piatohana NY HAVANA.

Ny Havana > A la Une > Fiaraha-miasa eo amin’ny TAFIKA MALAGASY sy ny Tranom-piatohana NY HAVANA.
01 Febroary 2023 : Fiaraha-miasa eo amin’ny TAFIKA MALAGASY sy ny Tranom-piatohana NY HAVANA.
Isan’ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny Tafika malagasy ny Tranom-piatohana NY HAVANA.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana fanamarihana ny andron’ny manam-boninahitra lefitra sy ny faha 60 taonan’ny ENSOA na ny Sekolim-pirenena hoan’ireo Manamboninahitra Lefitra ao Antsirabe ny Tale Jeneralin’ny CMAR Nanjatiana RAZAKAMANANA omaly Alarobia 01 Febroary 2023.
Nisy ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa vaovao sy ireo nasiam-panavaozana eo anivon’ny sekoly, toa ny toeram-pananganan-tsaina, ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena ary ny centre des opérations. Iray tamin’ireny ny « Terrain de Basket », izay isany nifandrimbonana tamin’ny CMAR Ny Havana ny fanatontosana izany.
Izahay eto amin’ny CMAR NY HAVANA dia mirary hatrany anareo eo anivon’ny Tafika Malagasy ahavita be amin’ny asa fanompoana tanindrazana.